« Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana. Koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao. »
Fotoana lehibe anankiray izany, fa hisy fifidianana hatao ka ny lanitra sy ny tany no antsoina hanatrika ho vavolombelona. Ny zavatra hofidiana dia izao: anankiray amin’ny fiainana sy ny fahafatesana, ary anankiray koa amin’ny fitahiana sy ny fanozonana. Anankiray monja àry no hofidiana, dia Andriamanitra ihany, na anankiray hafa.
Hianao koa tsy maintsy mifidy. Raha mangataka andro ka tsy mety mifidy hianao dia mifidy anao ny fahafatesana ihany. Tsy misy antony ny miala tsiny ka manao hoe: Atao isan’andro ny fifidianana ka nahoana no hisy fifidianana lehibe anankiray. Raha marina fa mifidy isan’andro ny tsara hianao dia tsy halaina hanao ny fifidianana anankiray lehibe koa, izay iorenan’ny fifidianana rehetra. Raha mijoro eo an-tsampanan-dàlana hianao, dia anjaranao ny mifidy ny halehanao na ny an-kavia na ny an-kavanana. Mba tahaka ny ifidiananao ny làlana hombanao koa ny hifidiananao ny fiainana na ny fahafatesana, ary ny fitahiana sy ny fanozonana.
Izao anefa no amporisihana anao hofidianao: Mifidiana ny fiainana dia ho velona hianao.