1 Tesaloniana 4:13

« Mba tsy halahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana. »

Ny alahelon’ny tsy manana fanantenana dia mety hiafara amin’ny famoizam-po fatratra, hoatry ny alina maizina dia maizina, na sahala amin’ny entana mavesatra mahatonga aretina tsy azo sitranina amin’izay mitondra azy.

Mba malahelo koa ny kristiana. Mpahazo ny olombelona ny alahelo. Nefa ao anatin’ny alahelon’ny kristiana dia mamirapiratra ny fahazavan’ny fanantenana.

Amin’ny fotoana isaonana na alahelovan’ny kristiana no tena isehoan’ny herin’ny finoany. Tsy fahotana ny malahelo na misaona fa ny tsy fetezana hionona, na indrindra fa ny fanomezan-tsiny an’Andriamanitra no fahotana.

Ry havana misaona, aza milentika ao anatin’ny alahelo. Mionoona amin’ny alahelonao fa sahala amin’ny zanak’izao tontolo izao hianao raha tsy mety mionona, ka ho maizina fatratra ny fiainanao. Andrandrao ny lohanao ka jereo fa eo ambonin’ny fahoriana, dia mazava mamirapiratra ny fahazavan’ny fanantenana, ka hahazo ny fiainana mandrakizay hianao. Ka ny alahelo dia fitahiana ho anao.

Amin’ny kristiana ny alahelo dia tsy enta-mavesatra hampitanondrika, fa elatra nanainga azy hiakatra, ho eo akaiky kokoa ny lanitra, ho akaiky kokoa ny Paradisa, ho akaiky kokoa an’Andriamanitra.

Laisser un commentaire