Salamo 59:9

« Fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy. »

Fiarovana mafy tokoa Andriamanitra ary ao amin’izany fiarovana izany aho. Fefy matevina no manodidina ahy. Izany fefy izany dia ny fitiavan’Andriamanitra.

Misy andiam-pahavalo manodidina ny fiarovana. Reko matetika ny tabatabany sy ny fandrahonany. Nefa ny miditra ao amin’ny efi-trano anatiny indrindra ao amin’ny fiarovany no ataoko. Mahazo toky tsara aho ao, ary saiky tsy mandre ny tabataban’ny fahavaloko.

Raha sahy mivoaka ao ivelan’ny manda aho, dia mikendry ahy ny fahavaloko, ka mamely tampoka ahy.

Nefa raha mipetraka ao amin’Andriamanitra, fiarovana avo sy mafy ho ahy aho dia tsy misy hahatratra ahy.

Ao amin’izany fiarovana izany no tiako hiainana hatramin’ny anio ka ho mandrakizay. Dia eo akaikin’Andriamanitra.

Laisser un commentaire