Jeremia 31:16-17

« Izao no lazain’i Jehovah: Atsaharo ny fitomaniana sy ny fandatsahanao ranomaso; fa hisy valiny tokoa ny ataonao, hoy Jehovah. Ary hody avy any amin’ny tanin’ny fahavalonao ireny. Ary misy fanantenana ho anao any am-parany, hoy Jehovah; fa ny zaza dia hiverina ho any amin’ny taniny indray. »

Indraindray ny vavaka sy ny asa, atao hahazoana olona ho an’Andriamanitra dia toa tsy misy vokatra. Ka dia mety ho tonga ao am-pon’ilay mivavaka sy miasa ny fahakiviana. Tsy hibebaka va ireo anaovana vavaka sy asaina ireo? hoy izy.

Hoy Jehovah ka, aza mitomany. Fafao ny ranomasonao. Hisy valiny ny asanao sy ny fivavahanao. Ho avy izy, hibebaka izy. Koa dia hiverina amin’i Jehovah ireo, ka andraso. Hisy fanantenana any am-parany. Ny zanaka naterakao koa dia hibebaka, raha maharitra mivavaka hianao.

Aza misalasala fa misy valiny ny asanao, ary misy vokatra ny vavaka ataonao. Raha tsy izany dia ho reraka hianao. Aza mitomany; raha mitomany hianao dia jamba ny masonao ka tsy mahita ny Tompo. Miasà amin’ny fanantenana, mivavaha amin’ny finoana fa hisy valisoa homen’i Jehovah anao.

Laisser un commentaire