« Dia mitandrema fandrao hadinonao Jehovah. »
Tena ilaina ve ity anatra ity? Ny Israely va mety manadino an’i Jehovah, izay namonjy azy tamin’ny loza sy nitondra azy tamim-paharetam-po namaky ny efitra ary nanafa-pahoriana azy tamin’ny fahaporetana rehetra.
Mety hanadino Azy va ny Israely? Eny, tena ilaina, ity anatra ity. Rehefa nipetraka ela tao Kanana ny Israely, dia vitsy taminy no nahatsiaro an’i Jehovah. Nohadinoin’ny Israely ny Andriamaniny.
Anio izao dia hianao itenenana hoe: Mitandrema fandrao hadinonao Jehovah. Izay fitiavana azon’ny Zanak’Israely tamin’i Jehovah dia azonao koa. Todiho ny nitondrany anao tamin’ny andro rehetra niainanao.
Marobe tsy tambo isaina ny soa voarainao taminy, nefa na izany aza dia mety hanadino azy koa hianao; ka mitandrema. Be tokoa ny raharahanao ka isaky ny hoatrinona no mahatsiaro Azy hianao, maro ny zavatra mameno ny saina mbamin’ny hevitrao ka mba toy inona ny fotoana ahatsiarovano Azy? Tandremo. Miambena. Fa raha tsy izany dia manadino an’i Jehovah hianao.