« Jehovah hiaro anao na mivoaka na miditra hatramin’izao ka ho mandrakizay. »
Jehovah hiaro ny fivoahanao avy ao an-tranonao ho any amin’ny asanao na ho any amin’ny famitanao ny adidinao; hiaro anao mba tsy ho lavo raha asian’ny fakam-panahy, fa handresy kosa. Jehovah hiaro anao raha mivavaka hianao, ary hiarao anao kosa amin’ny idiranao ao an-tranonao hialasasatra.
Jehovah hiaro anao raha mivoaka avy ao amin’ny efitrano ivavahanao amin’ny mangingina izay nahazoanao fiadanam-po noho ny fitahiana avy amin’ny Teny Masina sy noho ny fanatrehanao ny tavan’ny Tompo. Eny, hiaro anao Izy ambara-piditrao ao indray hametraka ny enta-mavesatra nitranga tamin’ny fiainanao rehetra.
Hiaro anao amin’ny fivoahanao miala amin’ity fiainana ity hiditra any an-danitra dia ao amin’ny fonenana tsara tokoa maharitra mandrakizay.
Eny, Jehovah hiaro anao na mivoaka na miditra hianao.