Salamo 121:7

« Jehovah hiaro anao amin’ny ratsy rehetra; eny, hiaro ny fanahinao Izy. »

Maro ny zava-mampahory eto an-tany. Be ny ranomaso latsaka, sesehena ny fijaliana mbamin’ny zavatra maha diso fanantenana. Mampangoraka ny fitomanian’ny zanaka. Mampiferinaina koa ny fangirifiriana mahazo ny vaventy. Azo lazaina hoe: Miandry ny olona eny rehetra eny ny zavatra manahirana, mampalahelo.

Nefa ny Tompo efa nampanantena fa hiaro anao amin’ny ratsy rehetra.

Hiaro amin’ny ratsy rehetra. Odray, Mpamindra fo Hianao Andriamanitra ô, ratsy izao tontolo izao fa Hianao no tsara. Manaiky tokoa aho fa be fahasoavana Hianao, ka dia miankina amin’ny tratranao.

Hafanao amin’ny afom-pitiavanao ny foko fa mangatsiaka. Hatsarao amin’ny fahasoavanao lehibe ny fanahiko fa ratsy. Henoy ny vavakay araka ny nampianarinao anay hoe: Ataovy hoe: « Manafaha anay amin’ny ratsy. »

Indrindra indrindra, arovy ny fanahiko. Ny ratsy lehibe indrindra eto amin’izao tontolo izao dia ny fahotana. Ka raha tsy miaro ahy Hianao, dia ho andevon’ny fahotana aho. Fa osa moa aho. Tsy mahatohitra ny fakam-panahy aho, raha tsy ampianao, Tompo ô. Avia omeo hery aho. Avia ho voatsapako fa marina ny fampanantenana hoe: « Hiaro ny fanahiko Izy. »

Misaotra anao aho Andriamanitra ô, fa tsara Hianao sy be fahasoavana.

Isaky ny mandingana sy isaky ny miaina, na aiza na aiza, na oviana na oviana, dia miankina aminao aho. Raha tsy Hianao dia tsinotsinona aho. Raha Hianao dia tena tsy matahotra aho.

Laisser un commentaire