Salamo 121:6

« Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro na ny volana nony alina. »

Loza ho an’ny mpandeha irony tany karankain’ny tanamasoandro. Mety mampahalemy ny mpandeha izy, eny mamono azy aza.

Misy zavatra maro mamely ny kristiana, toy ny tanamasoandro mamely ny mpandeha amin’ny tany karankaina. Izao ireo: Fakam-panahy, fanirian-dratsy, fijery tsy misy fitiavana sy teny fankahalana avy amin’ny olona, fitaka ary fanamavoana, ets…Nefa Andriamanitra efa nampanantena fa hiaro ny zanany rehetra, ka hoy Izy hoe: Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro. Raha te-ho velona eo anatrehan’Andriamanitra hianao, dia hampahalemy ny zava-dratsy rehetra te-hanindrona anao Izy, tsy hahavoa na hahafaty anao.

Tsy hampaninona anao ny volana. Avy amin’ny masoandro ny fahazavan’ny volana. Misy mihevitra fa mankarary ny maro ny volana ary mahafaty: Nefa angamba tsy marina izany.

Misy ihany ny olona matahotra ny fahazavan’ny volana. Misy zavatra tsy takatry ny saina amin’ny fahaizany. Maro ny mpandeha any amin’ny tany anjakan’ny fahajentilisana no mivavaka amin’ny fahazavan’ny volana kanefa fantatsika fa tahotra tsy misy antony izany.

Odray, maro amintsika koa no matahotaho-poana, matahotra ny tsy tokony hatahorana. Heverintsika ho misy loza ny zavatra tsy misy izany velively. Nefa na izany aza dia te-hiaro antsika Andriamanitra; Mpiaro mahatoky antsika Izy.

Te-hiaro ny Azy amin’ny masoandro Izy. Ny ohatry ny masoandro dia tena zava-mandoza. Miaro ny azy koa amin’ny fahazavan’ny volana Izy: ny fahazavan’ny volana dia ohatra amin’ny zavatra tsy misy antony hatahorana nefa atahorana.

Laisser un commentaire