Salamo 121:5

« Jehovah no fialofanao eo amin’ny ankavananao. »

Tahaka ny tsy isarahan’ny alokao aminao, no tsy isarahan’Andriamanitra aminao. Raha ao ivelan’ny trano isika, ka tsy takona ny masoandro na ny volana dia hitanao fa akaiky anao ny alokao. Tahaka ny anakekezan’ny alokao anao no anakekezan’Andriamanitra ny zanany. Ary satria zanak’Andriamanitra hianao, dia akaiky anao mandrakariva Izy.

Miaraka aminao tahaka ny alokao tsy misaraka aminao Andriamanitra na dia tsy hitanao aza. Na raharahainao Izy na tsia, na mangataka Azy ho akaiky anao hianao na tsia, na mahatsiaro Azy ho akaiky anao hianao na tsia, dia eo akaiky anao Izy.

Tsy ilaina ny hiantsoantso Azy toy ny lavitra: eo akaiky anao Izy.

Tsy toy ny aloka fotsiny anefa Izy, fa velona sy mahery ho Mpiaro anao, ho sakaizanao mahafatrapo na ho Rainao Mpikarakara. Tsy mba irery na oviana na oviana, na aiza na aiza ny zanak’Andriamanitra. Akaiky anao tahaka ny aloka tsy misaraka aminao Andriamanitra.

Laisser un commentaire