Salamo 121:4-5

« Indro tsy matory na rendrehana ny Mpiaro ny Israely. Jehovah no Mpiaro anao. « 

Raha sasatra ny olona dia te-hatory. Mety ho resin’ny torimaso ny mpiambina amin’ny alina.

Loza ny torimasonao. Raha matory ny mpiambina, dia mety ho tonga ny fahavalo. Tsy mahatsiaro ny matory.

Tsy fantany izay zavatra mitranga eo amin’ny manodidina azy.

Tsy matory na rendrehana ny Mpiaro ny Israely. Tsy rendrehana na sasatra Izy. Miasa tsy mijanona Izy. Miasa andro aman’alina hanasoa anao Izy. Tsy hadinony na oviana na oviana ny miambina anao. Na mandeha na miasa hianao, eny na aiza na aiza hianao dia ambenan’Ilay be fitiavana. Hitany ny loza mananontanona anao, ka dia tonga faingana hiaro anao Izy.

Mandritra ny fiainanao rehetra, hatramin’ny fahazazanao ka mandrak’antitra, na andro na alina, na matory na mahatsiaro, na mihinana na miasa, na faly na malahelo, dia akaikinao Ilay Mpiaro mahatoky anao, ary tsy sasatra na oviana na oviana Izy.

Indro tsy matory na rendrehana ny Mpiaro ny Isaraely. Jehovah no Mpiaro anao.

Laisser un commentaire