« Manopy ny masoko amin’ny tendrombohitra aho; avy aiza ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah Mpanao ny lanitra sy ny tany. »
Ity olona anankiray sahiran-kevitra mitsangana mijery ny tendrombohitra. Aiza no hahazoany famonjena?
Dia miteny amin’ny teniny tsy re feo feno fampaherezana ny tendrombohitra. Teny amin’ny Mpahary ary no ambarany. Ireo tendrombohitra tsara mahafinaritra dia tsy tonga ho azy. Andriamanitra , dia ny Tsitoha no nahary azy rehetra tamin’ny teniny. Ary velona mandrakizay Andriamanitra. Mafy orina na tsy mihetsika noho ny tendrombohitra Izy. Mahatoky ny fampanantenany fa mitoetra mafy noho ny fanorenan’ny tendrombohitra. Izy Izay mitana ny tany mbamin’ny tendrombohitra rehetra, dia manan-kery koa hanampy sy hitondra ny zanak’olombelona.
Ary ny olona izay mandinika ny tendrombohitra, dia hahazo fampiononana sy fifaliana fa hahalala ny ihavian’ny fahafaham-pahasahiranana ho azy. Andriamanitra Tsitoha, Tompon’ny hery rehetra tsy voafetra, ka azo iankinana tsy am-pisalasalana, dia efa nampanantena fa hanampy.
Jehovah, dia ny Mpamorona ny lanitra sy ny tany, no ahazoako famonjena. Ry havana! Jereo ary ny tendrombohitra ka miankina aminy.