Isaia 45:2

« Handroso eo anoloanao Aho ary handravona ny mikitoatoana, ary hanorotoro ny varavarana varahina, ary hanapaka ny hidy vy. »

Mampiasa teny mavesa-danja Andriamanitra eto amin’ny anehoany ny zavatra misakan-dàlana ny olony manatona Azy. Ary izao no teny voalaza eto: Mikitoatoana, varavarana varahina hidy vy.

Raha misy fisakanana lehibe mahazo anao dia vakio izay lazain’ny Tompo. Fa tsy misy mikitoatoana izay tsy hain’Andriamanitra aravona ary tsy misy varavarana varahina tsy azony torotoroina, ary tsy mety hisy vy tsy hainy tapatapahina.

Izao ihany no anjaranao: Andraso am-pinoana ny fanafahany anao.

Laisser un commentaire