« Izao no lazain’i Jehovah, ny Iray Masin’Israely, dia ny namorona azy: Ny amin’ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany. »
Ny zavatra ho avy. Inona izany? Ny zavatra ho avy dia kely no fantatsika. Eny tena tsy mahalala na inona na inona aza isika. Tsy fantatsika ny tany hodiavintsika amin’ny ho avy ary na dia izay hanjo ny aintsika anio aza. Andriamanitra anefa mahalala izany rehetra izany, ka hoy Izy hoe: Anontanio Ahy ny amin’ny zavatra ho avy. Ka avelao Izy hiadidy ny zavatra rehetra.
Fantany ny tsirairay, amin’ny dian’ny olona rehetra mbamin’ny ain’izy rehetra tsy misy an-kanavaka. Eo am-pelan-Tànany ny zanany rehetra. Ny zanany rehetra dia samy tiany hampandrosoana ny asany.
Noho izany dia hoy Izy hoe: Avelao Aho hiadidy ny zanako sy ny asan’ny tànako rehetra. Ekenao va ny hamela an’ Andriamanitra hanao izay Tiany?