1 Korintiana 15:34

« Mifohaza tsara. »

Mifohaza tsara. Maro ny olona kivikivy na ketraka am-panahy. Varian-kevitra amin’izay tsara tokony hataony izy. Milaza izy fa tsy hanota, nefa manota.

Mivavaka amin’ny molony izy fa manozona amin’ny fony. Amin’ny fotoana isehoam-pihetseham-panahin’ny sasany dia mba mihetsika na velona ara-panahy koa izy; nefa, vetivety aorian’izany dia mangatsiaka ny fony. Tsy tena faly ara-panahy izy, nefa tsy mamoy fo koa.

Tsy mampiraika azy ny tsi-fahazoan’ny sasany famonjena, ary na ny azy aza tsy raharahany loatra. Tsy miraikan-javatra na manana mona izy. Tsy te-hisahirana hanampy ny hafa izy. Tsy te-hiara mifaly amin’izay mifaly izy. Tsy afa-pon-javatra na inona na inona izy. Ary tsy mampaninona azy ny tsy tsi-fahombiazan’ny toe-piainany.

Henoy ny tenin’ny Tompo manao hoe: « Mifohaza tsara. » Mialà amin’ny làla-maty (taloha). Aleo fiainana feno fahoriana toy izay fiainana tsy misy heviny. Enga anie ka hampifoha anao Andriamanitra, fa raha izany dia faly hianao. Mitsangàna eo am-pototry ny hazo fijalian’i Jesosy hianao, tsy maintsy mifoha izay tonga eo.

Laisser un commentaire