Isaia 48:18

« Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko, dia tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao. »

Toa tsy nety nihaino sy nanaraka ny didin’Andriamanitra ny olona Israely fahiny. Misento Andriamanitra, amin’ny teny eto, mihevitra ny soa tsy azony noho ny fahaditràny, dia ny fiadanana voalaza omaly, ary ny fahamarinana, izay ampitahaina amin’ny onjan-dranomasina.

Ny fahamarinantsika mantsy dia toy ny « lamba mihosin-drà » (Isaia 64.5) Maloto! Tsy misy marina na dia iray akory aza.

Mahagaga anefa! Raha misy mihaino sy manaraka ny Tenin’Andriamanitra dia hanjary toy ny onjan-dranomasina ny fahamarinany.

Tsy mangina ny ranomasina. Tsy mitsahatra tonga eo amin’ny sisin’ny onja; miakatra sy midina izy, ary mandrakariva misy vaovao hafa koa tonga. Mana-kery ny onja ary mety ho lehibe toy ny trano. Raha ao amin’i Kristy, voalaza ao amin’izany tenin’Andriamanitra izany isika, dia ampy, tsy mety lany, toy ny onjan-dranomasina ny fahamarinantsika.
Henoy sy araho àry izany didin’i Jehovah izany.

Laisser un commentaire