Isaia 48:18

« Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko, dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao. »

Teny mahafinaritra ny hoe fiadanana. Nefa mainka mahafinaritra ny ananana ny fiadanana. Azo ampitahaina amin’ny ony ny fiadanan’ny kristiana. Matetika anefa dia azo ampitoviana amin’ny renirano kely izy; miovaova araka ny fiovan’ny fizaran-taona ka maka ny tarehin’ny tany vakiny. Amin’ny marainandro dia ritra aza izy.

Fa ny ranon’ny ony lehibe dia mandeha mankany an-dranomasina ary mampahavokatra ny tany eo andaniny roa; ary na amin’ny fotoana maina aza dia misy ao aminy ihany ny rano.

Tsy tokony hiovaova ny fiadanan’ny tena olon’i Jesosy; tsy mba ny ranotrambo vetivety dia ritra, fa maharitra ao am-pony. Na maina ny andro na manorana, na karakaina na lemaka mahavokatra ny tany vakiny, dia ao ihany ny rano amin’ny ony fa tsy ritra.

Fihetsehana anankiray ihany no tsy maintsy ao dia ny mandeha mankany an-dranomasina. Torak’izany ny fon’ny zanak’Andriamanitra.

Tahaka ny ony va ny fiadananao sa toy ny tata-drano kely mora ritra?

Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko.

Laisser un commentaire