Joba 11:7

« Takatry ny sainao va ny fomban’Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha? « 

Ny tsi-finoana sy ny famoizam-po dia mihevitra ny fahasoavan’Andriamanitra ho misy fetra sy mitarika ny manana azy hisalasala ny amin’ny herin’Andriamanitra sy ny Fitiavany ny olombelona, ka noho izany dia tsy sahin’izay tsy manana ny finoana matoky ny fahasoavan’Andriamanitra ny manankina ny fiainany rehetra Aminy.

Nefa tsarovy fa ny tsi-finoana no mihevitra izany, fa ny finoana kosa misaina fa tsy takatry ny saina ny fomba sy fahasoavan’Andriamanitra. Hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay Andriamanitra; tsy voafetra Andriamanitra ary tsy miankina amin’iza, na amin’inona na amin’inona. Tsy hita farany tahaka ny ranomasina ny Fitiavany. Toy ny rano lalina ny Fitiavan’Andriamanitra, ka ny anjaranao dia ny miantoraka ao anatiny ho voahodidiny sy ho entiny.

Iza àry no mahatakatra ny fahaizan’Andriamanitra. Fa tsy misy fetra ny Fahaizany sy ny Fahendreny ary ny Fahasoavany. Mbola misalasala ihany va hianao?

Laisser un commentaire