« Ny anjely rehetra dia fanahy manompo, nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova famonjena. »
Misy anjely manodidina anao, antokon’ny miaro anao fony hianao mbola zaza, ary miaro anao mandrak’ankehitriny. Irak’Andriamanitra hanompo sy hanampy anao.
Miambina anao izy, raha matory hianao. Eo anilanao izy raha miasa hianao. Miaraka aminao izy raha mandeha hianao. Sakanany tsy hahavoa anao ny loza na dia manatona anao aza. Mampiomana mialoha anao izy raha hisy fakam-panahy hidona aminao. Mihoby izy raha maharesy ny fakam-panahy hianao.
Tsy tsaroanao ny asan’ny anjely, ary tsy hitan’ny masonao izy. Tsy hivavaka aminy hianao ary tsy hifanerasera aminy. Nefa raha velona ao amin’i Kristy hianao, dia misy anjely manodidina anao mandrakariva. Manao ny asany izy na dia tsy fantatrao aza izany, na tsy mangataka azy hanao izany aza hianao, ary na tsy misaotra azy aza hianao.
Aoka ho fantatrao fa mamakivaky ity tany feno loza sy fahotana ity hianao, nefa misy anjely manodidina anao ho miaro anao.
Ry Jesosy ô! maniraha anjely hiaro ahy amin’ny fahotana sy amin’ny alahelo, eny amin’ny loza rehetra.