« Mandositra izy satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry. »
Tsy tia ny ondry izy, ka tsy mitandrina tsara azy; izany no voalaza ny amin’ny mpikarama amin’ny fiandrasana ondry.
Nefa hafa noho izany ny tena mpiandry. Tia ny ondry izy, ka mitandrina azy tsara tokoa, mieritreritra mandrakariva izay hahasoa azy; mameno ny fony ny fikarakarana azy. Fantatrao fa raha misy zavatra tianao tokoa dia mameno ny fonao ny fiheverana izay hahatsara azy. Tsy hainao ny hanadino azy. Tonga iray aminao izy. Sarotra aminao ery ny miala aminy, ka mankarary ny fonao ny misaina izany.
Tahaka izany ny fitiavan’i Jesosy anao, fa ondriny hianao. Tsarovy izany izao. Fa na ny fahorianao na ny fifalianao dia tsaroany ho toy ny azy tenany, satria mameno ny Fony ny aminao.