Matio 4:21-22

« Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba, zanak’i Zebedio sy Jaona rahalahany izay niara-nipetraka tamin’i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny haratony, ary niantso azy mirahalahy Izy. Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy. « 

Fahasoavana ny ahazoana fiantsoana avy amin’i Jesosy ho mpanarato olona. Nefa fahasoavana anankiray koa ny ahafahana hijanona ka hanohy irery ny asa niarahana tamin’izay lasa.

Izy mirahalahy – Jakoba sy Jaona – dia lasa ary nahita zava-baovao mahagaga sy adidy vaovao. Zebedio nijanona irery nilaozan’ny zanany hanohy amim-pahanginana ny asa fanaony andavanandro.

Tokony ho amim-pifaliana no hamelany ny zanany handeha. Tànana efatra matanjaka hitarika ny harato no tsy maintsy nahamanina azy rehefa niantomboka ho antitra izy ka nitady fanampiana be noho ny taloha.

Tena be fahasoavana anefa Andriamanitra. Fahasoavana no nahazoan’i Jakoba sy Jaona nandeha nanaraka an’i Jesosy ary fahasoavana koa no nanome hery an’i Zebedio hamela ny zanany handeha. Fahasoavana no ahaizan’ny olona hilaozana ho irery handehanan’ny malalany hankany lavitra hitory ny filazantsara ary hanao fivavahana ho azy.

Laisser un commentaire