Salamo 27:3

« Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho. »

Matetika isika dia mahita boky na gazety mitantara ady, ary misy olona miresaka ny amin’ny ady koa indraindray. Ary saiky isan’andro araka ny lazain’ny gazety dia toa manakaiky antsika ny ady ka raiki-tahotra isika fa sao mahatratra ny aintsika izany.

Koa dia izay iray amin’ireto zava-droa loha ireto no hataontsika:

Manalavitra izany isika ka tsy mieritreritra azy. Mahatsiravina antsika moa ny ady raha mahatratra antsika.

Na: Manaiky fa zavatra tsy maintsy hisy ny ady ka mety mieritreritra azy isika. Amin’izany dia mamaly isika fa hiharan-doza raha tonga amintsika izy.

Nefa na izany aza, ny zanak’Andriamanitra dia mahazo milaza hoe: « Na dia misy antoko mitoby hiady amiko aza tsy hatahotra ny foko. Na misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho. »

Ry malala zanak’Andriamanitra! Eo an-tànan’Andriamanitra hianao. Na dia amin’ny andro sarotra indrindra sy amin’ny itrangan-javatra mahatahotra indrindra aza dia miaraka aminao Izy. Miaro anao Izy. Fialofana mahatoky ho anao Izy. Tsy ny devoly no mpitondra sy mpikarakara anao, fa Andriamanitra. Aoka hitranga izay hitranga. Tsy misy maharombaka anao eo an-tànan’Andriamanitra.

Laisser un commentaire