Salamo 18:28

 » Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no hampahazava ny fahamaizinako « .

Endrey, izany soa azo avy amin’ ny jiro kely mirehitra amin’ ny alina. Indrindra fa amin’ ny olona marary no ahitana izany. Manafohy ny alina maizina izy sady manamaivana ny fanaintainana, ka manjary fampiononana lehibe ho azy ambara-piposaky ny mazava amin’ ny maraina.

Sahala amin’ ny jiro kely mirehitra amin’ ny alina ny fahazavana narehitr’ Andriamanitra ao am-pon’ ny olony. Raha maty ity, dia maizina sy lavabe ny alina.

Ry hava-malala ô, tandremo sao ho faty ny jironao. Sao hitanao fa maloto ny lahin-jiro na tsy ampy ny solika. Andriamanitra no mahalala azy sady vonona hanampy anao, koa Izy no angataho izay ilainao. Hazava amin’ izany ny tanànanao ary hampahazava ny manodidina anao koa hianao. Dia ho tahaka ny tenin’ i Davida fahiny ny teninao hoe :  » Jehovah Andriamanitro no mampirehitra ny jiroko sy mampahazava ny fahamaizinako « .

Laisser un commentaire