» Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’ i Kristy amin’ ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra. »
Misy hevitra telo voalazan’ ity teny ity izay mahatonga azy ho mahafinaritra indrindra.
» Nitahy antsika Izy « . Efa nataony izany, fa tsy zavatra mbola hatao. Ananako sahady ny fitahiana dia zava-tsoa tsapain-tànana na dia amin’ izao ankehitriny izao aza.
» Ny fitahiam-panahy rehetra « . Ilay fitahiana ananako dia tsy zavatra kely na sombintsombiny, fa ny fitahiam-panahy rehetra, dia harena lehibe. Ahy izany rehetra izany noho i Kristy. Tena fananako ! Lainga tokoa raha hilaza ny tenako ho mahantra aho. Tsy takatry ny saiko aza ny halehiben’ ny hareko. Na dia izany aza, dia ahy ihany izy.
» Any an-danitra « . Efa mponina any an-danitra sahady miaraka amin’ ity harena ity aho. Efa ahy ny lanitra sy ny fiainana any. Lazain’ ny teny ao amin’ ny Efes.2.6 hoe : niara-napetrany any an-danitra ao amin’ i Kristy Jesosy aho.
Rariny raha loa-bolana aho ka midera hoe : » Isaorana anie Andriamanitra ! «