» Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona ; hamoaka izay tena rariny tokoa Izy « .
Zava-dratsy noho ny volotara torotoro aza ny lahin-jiro manetona, fa sady tsy mahavita izy no manimba koa.
Mandoto ny rivotra ny lahin-jiro manetona. Ny hirehitra sy hanazava no tokony ho asan’ ny lahin-jiro, saingy tsy vitany izany nony miala ny afo ao aminy ka manetona. Manamaimbo trano kosa izy, ka midodododo lasa hamono azy izay voalohany miditra ao.
Ry hava-malala ô ! Ny hanazava ny manodidina no tokony ho asanao. Ary efa vitanao koa izany taloha angaha. Fa manao ahoana hianao izao ? Sao tahaka ny lahin-jiro manetona hianao ka manamaimbo ny rivotra amin’ izay misy anao ?
Henoy ange ireto tenin’ ny Soratra Masina ireto, fa teny feno fahasoavana hamonjena anao ireny. Izao no voalaza : » Tsy hovonoina ny lahin-jiro manetona ; hamoaka izay tena rariny tokoa Izy « .
Mbola hamboarin’ Andriamanitra indray hianao. Hodioviny ilay lahin-jiro manetona, ka hataony hirehitra tsara hianao. Tena mila anao hampahazava izao tontolo izao feno aizina Izy. Avelao hampirehitra anao àry Izy.