Isaia 42:3

 » Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; hamoaka izay tena rariny tokoa Izy. « 

Mampalahelo ny volotara torotoro. Ny hitarika rano na hanao asa hafa tandrify azy no tokony ho asany, saingy tratry ny fahavoazana izy ka simba. Torotoro izy ka tsy misy ilàna azy intsony. Tsy mahavita na inona na inona izy, ka dakan’ izay mandalo azy, sady tapatapahiny koa, hany ka vao mainka torotoro. Dia tsy ahoan’ ny olona izy fa fakofako tsy mahasoa.

Maro ny olona mahatsiaro tena ho toy izany. Nisy fahavoazana nanorotoro azy, ka tsy mahavita na inona na inona intsony izy. Mazàna dia esoin’ ny namany izy, ka vao mainka mahatsiaro tena ho faraidiny indrindra.

Izao kosa no tenin’ i Jesosy :  » Tsy hanapaka ny volotara torotoro Aho, fa hamoaka izay tena rariny tokoa « .

Mbola hanamboatra ny volotara Izy. Na dia izay tena torotoro aza dia hainy hamboarina. Ny tsy mahavita dia hainy hatao mahavita. Izay natao hoe fakofako dia hainy hovana ho be voninahitra.

Endrey ! izany fahasoavana tsy takatry ny saina izany !

Laisser un commentaire