» Indrisy ! olo-mahantra aho ! Iza no hanafaka ahy amin’ ny tenan’ ity fahafatesana ity ? Misaotra an’ Andriamanitra aho amin’ ny alàlan’ i Jesosy Kristy Tompontsika « .
Raha misy teny tandrify ahy dia ity : Indrisy ! olo-mahantra aho !
Ary raha misy fisentoana avy amin’ ny halalin’ ny fo dia ity : Iza no hanafaka ahy amin’ ny tenan’ ity fahafatesana ity ?
Mahakivy mihitsy ity tenako tsy mahomby ity. Olo-mahantra tokoa aho. Feno fahotana, feno fitsiriritan-dratsy, feno fahalotoana, feno fitiavan-tena, feno faharatsiana. Resin’ ireo zava-dratsy maro ireo matetika aho. Indrisy, fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. Iza re, no hanafaka ahy ?
Mahagaga anefa, fa miaraka amin’ izany fisentoa-dalina izany ny fisaorana. Misy fanantenana ihany na dia tsaroana ho ao anatin’ ny fahoriam-be indrindra aza. Anankiray dia anankiray ihany no anankinana izany fanantenana izany, dia Jesosy Kristy, Mpampnjy mahery sy be fahasoavana. Eo am-pitolomana amin’ ny tenan’ ny fahafatesana no isehoan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra amin’ ny alàlan’ i Kristy. Manome hery sy faharetana ahy hiady amin’ ny ratsy izany, eny, mahatonga ahy ho mpandresy aza.
Misaotra an’ Andriamanitra aho amin’ ny alàlan’ Jesosy.