» Dia hoy Davida tamin’ i Gada : Indrisy ! poritra loatra aho ! aleontsika ho azon’ ny tànan’ i Jehovah, – fa lehibe ny famindram-pony « .
Indrisy tokoa, fa poritra sy feno tahotra ny olon’ Andriamanitra matetika. Ary arakaraky ny ijereny sy iheverany ny zava-tsarotra mitranga no itomboan’ ny tahotra. Mampitebiteby fatratra ery koa ny fieritreretana enjehin’ izay ratsy natao mbamin’ ireo fahadisoana maro tsy mbola voavela heloka sy ny fanahiana samy hafa momba izao fiainana izao.
Nefa misy famonjena amin’ izany fahaporetana sy tahotra izany. » Aleo ho azon’ ny tànan’ i Jehovah « , hoy Davida. Afa-tahotra tokoa izay miantsampy eo amin’ ny tànan’ Andriamanitra. Famelana ny heloka rehetra no ho azo ao. Fialofana feno toky ho an’ ny saina tsy mivadibadika no hita ao. Iza no hanahy rehefa eo am-pelantànan’ Andriamanitra ? Mahery ny tànan’ Andriamanitra. Feno famindram-po ny Tànany, sady feno Fitiavana sy Hery ary Famelan-keloka.
Miantsampaza eo amin’ ny tànan’ Andriamanitra hianao izao, fa lehibe ny famindram-pony.