» Ary ny hanina nohanina dia hanina nomena avy amin’ ny mpanjaka araka ny tokony ho anjarany isan-andro isan-andro tamin’ ny andro rehetra niainany « .
Tantaran’ ny mpanjakan’ i Joda natao hoe Joiakima ity. Nataon’ ny Mpanjakan’ i Babylona gadra izy, kanjo nafahany indray hiala tao an-tranomaizina ka napetrany teo aminy hiara-monina aminy.
Mety ho tantara milaza anao koa ity. Rariny ny anaovan’ Andriamanitra anao ao an-tranomaizina, fa be ny helokao. Ny hanafaka anao anefa no Tiany, ka raha tianao dia mahazo mampiala ny akanjo fitafian’ ny gadra hianao ka hiala ao an-tranomaizina. Hamela sy hanadio ny helokao Izy sady vonona hikarakara anao isan-andro isan-andro rehetra iainanao.
Andriamanitra Izay Mpanjakanao dia manome toky, fa hoe : » Ny hanina dia homena anao avy amin’ ny mpanjaka araka ny tokony ho anjaranao isan-andro « . Tsy ilainao ny hitsitsy mba hisy ho rahampitso. Fa izay ilainao isan-andro amin’ ny andro rehetra hiainanao dia Nomeny anao. Isa-maraina tsy tapaka no anolorany anao izany. Efa nomena fahafahana sy fahasoavana hianao, ka tsy mety ho tapitra izany amin’ ny andronao rehetra mandra-pahatongan’ ny andronao farany aty an-tany. Izao ihany : Meteza hipetraka ao amin’ ny Mpanjaka hianao, ka avelao malalaka Izy hikarakarany anao, dia tsy hisy tokony hampanahy anao.