» Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon’ i Jehovah, ary aza reraka raha resi-lahatry ny anatra Ataony hianao. «
Mety mahareraka sy mahakivy ny famaizana. Mampitanondrika sy mampanetry tena koa izy ka mahatonga famoizm-po. Sasatry ny famaizana ny maro ka mihevitra azy ho zavatra tsy misy antony.
Aoka tsy ho tahaka izany anefa no iheverantsika ny famaizana, fa hafa lavitra ny ikendren’ Andriamanitra azy. Izany no ilazany amintsika hoe : » Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon’ i Jehovah, ary aza reraka raha resi-lahatry ny anatra Ataony hianao. «
Marina fa tsy maintsy hampitanondrika anao ny famaizana. Hitan’ Andriamanitra fa ilainao ny hanetry tena. Somary nanomboka nihevi-tena ho lehibe hianao tato ho ato. Ka tian’ Andriamanitra ny hiverenan’ ny sain-jaza ao aminao, koa Faiziny hianao.
Hita amin’ izany fa vokatry ny fanirian’ Andriamanitra hikarakara anao ny famaizana. Eny, fitiavana mihitsy ny famaizana. Mahatonga fanantenana ny anatra ataon’ Andriamanitra. Ka tsy ho hita koa izay Nitiavany anao raha tahiny Navelany amin’ izao hianao. Fa ankehitriny kosa dia toy izao ny Fitiavany anao : Noraisiny hofaizina hianao. Koa tsy misy tokony hamoizanao fo. Tena tia fatratra anao Andriamanitra. Koa dia raiso ny famaizany, ka avelao hampiova anao.
Manetre tena hianao, ka misaora an’ Andriamanitra !