» Ary Joba dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe : Fandrenesan’ ny sofina ihany no nandrenesako Anao; fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao; koa dia miaiky sy mibebaka eto amin’ ny vovoka sy ny lavenona aho. «
Ny finoan’ ny kristiana marina an’ Andriamanitra dia mazana esoin’ ny olona sasany ka itenenany ratsy azy. Indrindra ny finoany an’ i Kristy sy ny asa fanavotana nataony; ihomehezany sy andatsany ery ireo. Mety harahin’ ny namany hafa koa ny teny ataony, ka dia miaraka amin’ ny fanesoana sy fandatsana ny kristiana izy rehetra.
Enga anie ka mba hisy izay hihaonany amin’ i Jesosy Kristy indray andro any, dia ho voatery hilaza tahaka an’ i Joba izay hoe : » Fandrenesan’ ny sofina ihany no nandrenesako Anao, fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao; koa dia miaiky sy mibebaka aho. «
Indraindray dia mety misy teny feno fisalasalana sy fitarainana mivoaka avy amin’ ny vavan’ ny kristiana, ka omeny tsiny Andriamanitra noho ny Fitondrany azy. Ny anton’ ny itrangan’ izany dia noho ny masom-panahiny tsy mahita mazava intsony an’ i Jesosy.
Ry hava-malala ô, tandremo sao iharan’ izany hianao ! Rehefa mahita an’ i Jesosy indray hianao, dia voatery hiaiky sy hibebaka.
Izao moa no izy : izay tena mahita an’ i Jesosy dia tsy hamoy fo na oviana na oviana, na manao ahoana na manao ahoana.