» Ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana. «
Tsy mbola tena velona ao am-pon’ ny olon’ Andriamanitra sasany ny fanantenana ny fiainana mandrakizay. Mahafeno ny sainy loatra sady maminy ny fiainana aty an-tany, fa toa lavitra azy ny fiheverany ny any ankoatra.
Koa voatery hizaha toetra azy Andriamanitra. Izany mantsy no hitomboan’ ny fanantenana ao aminy. Raha zoim-pahoriana ny olona ka miala aminy izay nifaliany sy nianteherany teo aloha sady miraparapa amin’ ny maizina mitady izay hiankinany, dia faly mandray ilay fanantenana velona sy mahafinaritra izy. Dia tsy mibanjina intsony ity tany mety ho levona ity ny masony. Fa ny any an-danitra izay misy ny fahazavana mamirapiratra no tiany hozahana sy hoheverina, dia ilay tany mahafaly izay nanamboaran’ i Jesosy trano ho azy. Ary Jesosy indrindra no ho hitany, fa Izy no hany fanantenana hahazoan’ ny fanahiny famonjena.
Ry Andriamanitra malala ô, avelao hihatra amiko ny fizahan-toetra, raha izany no hahatongavan’ ny lanitra akaiky ahy. Tsy misy fiainana mahasambatra toy ny fiainana misy fanantenana. Koa omeo ahy ilay fahatsaram-panahy voazaha toetra hahazoako fanantenana.