Jakoba 1:6

 » Nefa aoka hangataka amin’ ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ ny rivotra ka atopatopany « .

Miovaova mandrakariva ny alon-dranomasina. Raha mahery ny rivotra, dia lehibe ny onja. Raha tony kosa ny andro, dia saiky tsy hita izay maha-onja azy. Araka izay alehan’ ny rivotra no alehan’ ny onja ka miovaova mandrakariva ny alehany. Tsy mikendry na inona na inona izy. Hafa kosa ny ony. Misy mandrakariva ny kendreny, dia ny ranomasina. Na be rivotra ny andro na tony izy, na andro na alina na miakatra na midina na lemaky ny tany, dia mankany amin’ ny ranomasina. Mihetsika mandrakariva izy, kanefa tsy misy kendreny.

Mety ho tahaka izany koa ny fivavahantsika raha tsy omban’ ny finoana. Miovaova. Indraindray dia mpivavaka matanjaka sy mafana fo isika, indraindray kosa dia malemy ka tsy mihetsika mihitsy. Raha ho entin’ ny rivotr’ izao tontolo izao ny fivavahantsika, fa tsy entin’ ny finoana, dia tonga miovaova sy mivadibadika ka tsy misy valim-bavaka.

Inona àry no atao hoe finoana ? Izao : fanginana, fahatokiana, fanoloran-tena, fetezana hanoa, faharetana. Tahaka ny ony ny olo-mino. Làlana iray ihany no omban’ ny ony mandrakariva dia ny mankany amin’ ny ranomasina. Ny olo-mino dia mivantana mankany amin’ Andriamanitra. Tsy entin’ ny rivotra izy, fa maharitra amin’ ny alehany mandra-pahatongany amin’ izay alehany.

Laisser un commentaire