» Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary tsy fantany ho mamirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenan’ i Jehovah taminy. «
Zava-mahagaga mety mitranga izany, saingy tsy fantatr’ izay itrangany. Raha fantany manko izany, dia mety midera tena izy, ka hiala avy hatrany ny famirapiratana avy amin’ i Jehovah.
Lehibe sy mahatalanjona ny famirapiratan’ ny voninahitr’ Andriamanitra. Izay manaiky Azy dia tsy maintsy hifindrany.
Manambara zavatra mandrakariva ny tavan’ ny olona, na dia tsy miteny aza ny vava. Izao no mety ambarany : Fahadisoam-panantenana, fahatezerana, fo-lentika, fanesona, saina feno kitoatoa, famoizam-po, fitsiriritan-dratsy, … ets. Mampalahelo namana isika raha tava manjombona sy ratsy toy izany no asehontsika azy, eny, mety hampiala ny fifaliam-pony mihitsy aza izany. Ahazoany zava-tsoa avy amin’ Andriamanitra kosa ny ahitany tava mazava sy mirana ao amintsika, dia tarehy sy fomba aman-toetra amirapiratan’ ny voninahitr’ Andriamanitra.
Raha ho tanteraka amintsika izany, dia tsy maintsy tena miaina eo akaikin’ Andriamanitra isika, sady haharitra eo Anatrehany amin’ ny fivavahana sy fiderana Azy.
Tava manao ahoana re no ho hitan’ ny olona aminao anio ?