Eksodosy 23:7

 » Manalavira izay teny lainga « .

Mampalahelo, fa maro ny teny lainga aty amintsika. Miharihary ny sasany. Ao amin’ ny mangingina ny sasany. Mahavoa sy manimba izy ireny fa mahatonga fifandrirana mety miafara amin’ ny fifamonoana aza. Teny anankiray aloha, na olona roa ihany no mifandika, kanjo idiran’ ny olona maro, ka dia mitombo ny teny lainga ary mitatra ny raharaha ka miharihary hatrany hatrany.

Rariny raha miteny sy mananatra ny olony Andriamanitra hoe : Manalavira izay teny lainga !

Aza miditra amin’ ny raharaha tsy marina hianao. Ary aoka tsy hiandany na amin’ iza na amin’ iza hianao, fa mety ho diso ireo miady, ka manao teny lainga. Ny teny fahadisoan’ ireo roa tonta dia ny tsy fifankatiavany sy tsi-fifandeferany, ka sao voan’ izany koa ny : tenanao. Koa mahatsara anao ny ho eo ivelan’ ny fifandirany. Manalavitra azy, hoy Andriamanitra. Izao ihany no hataonao : dia ny mivavaka ho azy.

Ary izao koa : Aoka tsy ho be resaka momba izany ady izany hianao. Ny tsara aza dia ny tsy miresaka azy mihitsy, sao ho voan’ ny fakam-panahy hanao teny lainga koa hianao. Mangataha hery amin’ Andriamanitra mba hiarovany ny sainao sy ny fonao ho madio. Sambatra hianao raha tanteraka izany.

Laisser un commentaire