» Koa amin’ izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’ Andriamanitra amin’ ny alàlany Izy « .
Moa misy famonjena tanteraka tokoa ho an’ ny olona rehetra, sa ilàna fanoloran-tena manokana no hahazoana azy ?
Tsia, fa izao no tenin’ ny Soratra Masina hoe : » Izay manatona an’ Andriamanitra amin’ ny alàlany « . Izay manatona an’ Andriamanitra amin’ ny alàlan’ i Kristy no mahazo azy. Mazava izany. Ny manatona amin’ ny fo mahitsy sy tsotra ka manaiky ny fahantrany sy ny fahoriany vokatry ny fahotany no hahazo famonjena tanteraka tokoa.
Mahafinaritra indrindra izany filazana tsara izany ! Mahazo ny zavatra rehetra izay manatona an’ Andriamanitra amin’ ny alàlan’ i Kristy. Ny fahadiovany sy ny fahamasinany dia tonga tanteraka ao amin’ i Kristy. Misy < varava-tena > fonenantsika ity tany ity. Any ambony any no misy hery sy fitahiana rehetra, ka azony anovozana araka izay tiany. Azy koa ny Fanahy Masina izay santatry ny lovany, ka dia vita tombo-kase sy tsara antoka fa ho azy ny fandresena mandrakizay. Eny, azy ny zavatra rehetra raha manatona izy.
Rariny raha mihoby ny fanahiko. Tsy mahantra aho, fa ahy ny zavatra rehetra, eny, mpanan-karena indrindra, satria mahavonjy tokoa Kristy.