Josoa 14:10-11; 13-14

 » Ary Kaleba nanao tamin’ i Josoa hoe : Ary ankehitriny, indro efa misy dimy amby valopolo taona aho izao. Nefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin’ ny andro nanirahan’ i Mosesy ahy; tahaka ny tanjako tamin’ izany ihany no mbola tanjako ankehitriny, mba hiady, na hivoaka na hiditra. Dia nitso-drano azy Josoa ka nanome an’ i Hebrona ho lovany, satria tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Israely, izy « .

Izany no anjaran’ izay manara-dia amim-pahatokiana sy amim-paharetana an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Israely. Ny dia hafa rehetra dia manasatra ny olona sady mampiala ny heriny. Fa ny manaraka ny dian-tongotry ny Tompo kosa no hahazoan-kery vaovao lalandava na dia tsy maintsy hialany aza ny hery ara-nofo. Tsy hahatsapa izany anefa ny olona raha tsy manaraka ny nataon’ i Kaleba. Tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Israely, izy. Izay malaina sy tsy mitandrina amin’ ny fanarahana ny Tompo kosa dia ho sasatra sy ketraka. Fa izay manaraka am-pitandremana sy amin’ ny fo tokoa no handroso hery an-dàlana.

Vavolombelona manambara izany Kaleba, fa hoe :  » Ary ankehitriny, indro efa dimy amby valopolo taona aho izao. Nefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin’ ny andro nanirahan’ i Mosesy ahy. Matanjaka hiady aho ary matanjaka hiditra sy hivoaka.  »

Farany, rehefa tapitra izany fanarahana feno hery ny Tompo izany, dia nomeny ny mpanompony i Hebrona ho lovany.

Aoka ho tanteraka ny fanarahanao ny Tompo anio, – sy amin’ ny andro ho avy koa, – dia Homeny hery vaovao hianao.

Laisser un commentaire