» Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatry ny maty, ary tsy niahanahana ny amin’ ny teny fikasan’ Andriamanitra tamin’ ny tsy finoana izy, fa nampaherezin’ ny finoana, ary natoky indrindra fa izay Nolazainy dia Hainy hatao koa. «
Tsy mba nanozongozona ny finoan’ i Abrahama ny fiheverany ilay zavatra tsy azo ho tanterahina, satria natoky indrindra an’ Andriamanitra izy. Nikasika zavatra aty an-tany mbamin’ ny lalàn’ ny zava-boahary izy ity, kanefa nikasika ny teny fampanantenan’ Andriamanitra taminy koa. Ka natoky indrindra izy fa izay nolazain’ Andriamanitra dia hainy hatao koa.
Nino izay tsy azo ninoana izy. Nanantena izy, na dia tsy nisy nantenaina intsony aza. Sady nihevitra ny zavatra tsy azo atao no natoky ny hery tsitohan’ Andriamanitra izy. Sady nahalala ny làlan’ ny zava-boahary tsy azo dikaina no natoky an’ Ilay nanome ireo lalàna ireo izy.
Ry Tompo ô, omeo ahy ilay finoana izay mahita fahazavana amin’ ny aizim-pito sy manantena amin’ izay tsy misy antenaina ary izay mahita an’ Andriamanitra, na dia tsy hita aza Izy.