» Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy na mamaly antsika araka ny helotsika. »
Ry Andriamanitra feno fahasoavana mahagaga ô, tena tsy misy tahaka Anao ! Koa misaotra Anao indrindra aho, fa lehibe tsy misy fetra na faritra ny famindram-ponao.
Inona no ho nanjo ahy mpanota mahantra raha voavalinao araka ny heloko aho ? Lany ritra efa ela aho raha tsy noho ny fiantranao. Famaizana sy fijaliana no hany tokony ho ahy, fa lehibe tsy azo tononina ny fahotako. Na dia izany aza, dia mahazo mifaly am-pahatokiana noho ny famelan-keloka sy ny fiadanana omenao ahy. Isaorako be indrindra Hianao, ry Andriamanitra tsara malalako ô !
Amin’ ny andro ho avy koa dia tsy misy hafa hitokiako afa-tsy ny fahasoavana ihany. Mazava amiko ny fahalemen’ ny tenako. Fantatro fa mety ho lavo indray aho. Koa Hianao ihany no tsy maintsy hianteherako. Ny fitiavanao no hany fanantenako. Tsinontsinona aho raha tsy manana Anao. Ary isaorako Anao indrindra dia noho Hianao tsy mety ho tofoka ahy. Tsy mba manao amiko araka ny fahotako Hianao ary tsy mamaly ahy araka ny heloko.