» Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian’ Andriamanitra mba hahazoanareo hanohitra amin’ ny andro mahory, ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo « .
Ho andro mahory ve izao andro hodiaviko izao ? Andriamanitra irery ihany no mahalala.
Andro feno fakam-panahy sy fizahan-toetra ny andro mahory sady ifandimbiasan’ ny fahasarotana sy ny fahasahiranana. Andro ihariharian’ ny ratsy, fa Andriamanitra kosa dia tsaroana ho lavitra.
Mety ho mpandresy amin’ ny andro mahory anefa hianao, ka hiova ho andro tsara ihany izy. » Raiso avokoa ny fiadian’ Andriamanitra « . Aoka tsy handroso hiady hianao raha tsy mitondra fiadiana aloha. Sotroy ilay fisotro mampahery avy amin’ ny loharano atao hoe : vavaka. Raiso koa ny tenin’ Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy ary tano ny finoana ho ampinga.
Tsy hanafaka anao tsy hiady Andriamanitra. Mety hafana aza ny ady, indrindra ny ady amin’ ny sainao sy ny sitraponao. Mahazo manohitra anefa hianao, ary farany rehefa vitanao avokoa dia hahafahatra.
Fifaliam-pandresena izany » mahavita avokoa » izany. Tsy havela ho resy sy voavely eo amin’ ny toerana niadiana hianao fa ho mpandresy ny ratsy hahafahatra kosa.
Noho izany, raiso avokoa ny fiadian’ Andriamanitra.