» Fahavokisam-pifaliana eo anatrehanao. «
Tsy fifaliana tsotra amin’ izao no atolotra eto, fa hoe : fahavokisam-pifaliana. Ary eo anatrehan’ Andriamanitra no ahazoana azy.
Nahoana no eo ihany no ahitana izany ?
Ny fahazavan’ ny tavan’ ny Tompo no sady mampiharihary no mandevona ny fahotako, ary eo am-pandevonana ny fahotako no ahazoako fahasoavana maimaim-poana. Tsy misy mampijaly sy mankarary ahy hoatry ny fahotako, fa mampifaly sy mahasambatra ahy kosa ny fahasoavana. Raha manandratra ny tavany amiko sy manome fiadanana ny Tompo, dia rariny raha mifaly aho. Ary raha izao izay mpanota faraidiny indrindra no mahazo mitsangana amim-pahatokiana eo anatrehany, dia rariny koa raha voky fifaliana indrindra.
Miharihary eo anatrehan’ ny Tompo ny fahoriako sy ny alaheloko mbamin’ izay ilaiko rehetra. Fantany tanteraka aho, sady hitan’ ilay masony be fitiavana izay manahirana ahy. Ka izao no ambaran’ io maso io : famelan-keloka, fampiononana, fanampiana, hery. Maso mitsiky amiko amin’ ny alaheloko, mampahery ahy amin’ ny fahakiviako, mananatra ahy amin’ ny fiviliako làlana, mitsinjo sy manolo-tsaina ahy amin’ ny fisalasalako. Zavatra iray ihany no kendreny, dia ny hahasoa ahy. Marina dia marina tokoa ny hoe : Fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao.