» Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin’ izay hoe : Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra. «
Nataon’ ny mpianatra fa matoatoa ilay nitsangatsangana tamin’ ny ranomasina. Kanjo izao : Ilay sakaizany tsara indrindra. Nataony koa fa hanjary fasana handrakotra azy ireny alon-drano mahery ireny, kanjo ny mbola hahitany ny voninahitr’ i Jesosy no nisehoan’ ireny.
Mbola fomban’ i Jesosy mandrak’ androany ity. Ny andro isehoan’ ny tafio-drivotra mahery no entiny hihaonany amin’ ny mpianany. Rehefa atopatopan’ ny alon-drano ny sambokelin’ ny fiainany ary tohain’ ny rivotra mafy izy sady maizina be ny alina, dia indro fa tonga Jesosy.
Toa tsy misy mampahafantatra ny olona ny fahalemeny sy ny maha-tsinontsinona azy toy ny rivo-doza sy ny hery asehon’ ny zava-boahary indraindray. Torak’ izany koa ny fahasarotana sy ny fitsapana maro mety mahazo ny olona. Fa amin’ izany indrindra no ilàny mpamonjy, ka fantatr’ i Jesosy tsara izany. Indraindray dia mety tsy ho tonga Izy, raha tsy efa madiva hamoy fo ny olona, dia amin’ izay fotoana saiky tsy ahafantarana Azy. Kanjo nony re ilay Feony mafy sady hita ilay Tavany malala izay manakaiky manao aminy hoe : » Aza matahotra, fa Izaho ihany « , dia mahazo toky ny olony. Tsy misy mampanahy azy intsony. Na dia kely aza ny sambo ary mbola mitohy ihany aza ny tafio-drivotra, dia afa-tahotra sy feno fiadanana izy.