» Naharitra toy ny mahita izay tsy hita izy. «
Toa zava-miafina sy mifanohitra ny hoe : Mahita izay tsy hita. Nefa izany indrindra no ilazana ny fiainan’ ny kristiana ara-panahy. Izany » toy » ny manambara ny finoana izany no tena tsy takatry ny olon’ izao tontolo izao. Amin’ izay ahitan’ ny olo-tsi-mino fahasarotana tsy azo toherina no ahitan’ ny olo-mino ny tànan’ Andriamanitra Tsitoha. Izay ahitan’ ny olona sasany efitra feno fasika nandrevo sy masoandro nahamay no nahitan’ ny olon’ Andriamanitra zava-mahagaga sy be voninahitra. Izay nahitan’ ireny olona ireny vatolampy mafy be ihany no nahitan’ i Mosesy rano niboiboika. Izay nahitan’ ny andaniny fahafatesana nanakaiky no nahitan’ ireo Zanak’ Israelin’ Andriamanitra ny tany Kanana. Izay tsy nahitan’ ny tsi-mino na inona na inona no nahitan’ i Mosesy an’ Andriamanitra. Noho izany dia naharitra izy. Ny masom-pinoany no nahitany an’ Ilay tsy hita.
Mazàna dia fanontaniana toy izao no vokatry ny famoizam-po : Hiaritra ve aho ? Ho ampy ve ny heriko ? Sao ho tafahoatra ny fahasahiranana ? Sao ho lehibe loatra ny fakam-panahy ? Sao ho reraka ny finoako ary halemy ny tenako ?
Amin’ izany dia izao ihany no ilaina : Ny hibanjina an’ Ilay tsy hita. Ny zava-manahirana dia mora hitan’ ny olona rehetra, fa Ilay tsy hita kosa dia tsy hitan’ iza, afa-tsy ny mino ihany. Ary tsy ho resin’ ny fahakiviana na ny famoizam-po na oviana na oviana ny mahita Azy.