Josoa 20:1-3

 » Ary Jehovah niteny tamin’ i Josoa ka nanao hoe : Lazao amin’ ny zanak’ Israely hoe :  » Fidio ny tànana fandosirana izay nasaiko nolazain’ i Mosesy taminareo, … dia ho fandosirana ho anareo izany mba tsy ho azon’ ny mpamaly ra. « 

Fiantsoana feno fitiavana te-hamonjy ny olo-meloka mahantra voaenjika ity teny ity. Fa hoe : Hisy tànana fandosirana ho azy mba tsy ho azon’ ny mpamaly ra izy. Ary ny namboatra sy nikarakara izany toeram-pandosirana izany, dia tsy hafa, fa Jehovah.

Isaorana anie Andriamanitra fa mbola misy mandraka androany ny toerana toy izany handosiran’ ny olon-meloka enjehina, dia ity. Ny tànan’ i Jesosy voahinjitra.

O, ry foko meloka feno tahotra sy ahiahy, mandosira hankany amin’ ny tratran’ i Jesosy ! Toeram-pandosirana tsara antoka izay tsy tratry ny mpamaly ra izany, sady tsy andrenesana ny feon’ ny mpiampanga na ahatsiarovana ny eson’ ny olona. Ao no anadinoana ny zava-mangidy sy mampamoifo. Izao kosa no hita : famelan-keloka, fiadanana, fampiononana, fialan-tsasatra. Toerana ahitan’ ny mpanota lehibe indrindra fialofana sy fahatokiana izany.

Noho izany dia inty aho manatona, ry Tompo ô, Jesosy vatolampiko ô, arovy akaiky ny tratranao indrindra aho !

Laisser un commentaire