Genesisy 3:9

 » Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe : Aiza moa hianao ? « 

Mamoaha ny amin’ ny toetrao, ka mihainoa, fa miantso Andriamanitra hoe : Ra-olombelona ô, aiza moa hianao ?

Tsy hoe :  » Taiza moa hianao « , no anontaniany anao. Na toy inona na toy inona ny andronao taloha, na andro nanaovanao fahotana izany, na andro nahatsiarovanao an’ Andriamanitra tamin’ ny vavaka sy asa soa, dia tsy izay no mavesa-danja aminy. Fa izao ihany no fanontaniana : Aiza moa hianao izao ?

Na dia fatra-pivavaka teo aloha aza hianao, dia tsy mahavonjy anao anio izany. Izao ihany : Aiza moa hianao amin’ izao ankehitriny izao ? Ilay fahotanao teo aloha dia tsy hahasakana anao tsy hanatona an’ Andriamanitra. Izao ihany no fanontaniana momba izany : Hataonao ahoana amin’ izao andro izao izany fahotanao izany ?

Mety heverinao ho feno fanomezan-tsiny sy fitsarana ny feon’ Andriamanitra eo am-piantsoana anao. Tsy izany tsy akory anefa, fa feo feno fahasoavana kosa ny Azy. Koa aza matahotra sy miery intsony hianao, fa misehoa eo anatrehany. Fantaro sy ekeo izay tena toetrao, ary esory tanteraka ny fialan-tsiny rehetra. Izany no tokony hamalianao ny antso-pitiavana iantsoan’ Andriamanitra anao.

Ra-olombelona ô, aiza moa hianao ? Aiza hianao amin’ izao anio izao ? Henoy àry, ka valio !

Laisser un commentaire