Hebreo 10:14

 » Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina. « 

Fanatitra indray monja ! Sady fanatitra lehibe tsy misy toa azy. Ny Zanany Lahitokana no nafoin’ Andriamanitra, eny, nomeny mba hampahoriana sy hampijaliana, ka hiafara amin’ ny fahafatesana sy mampangirifiry. Ary natolotr’ i Jesosy ny tenany sy ny rany sy ny fitiavany ary ny ainy rehetra. Izay nankahala Azy no nanolorany izany rehetra izany. Fanatitra re izany ! Fitiavana manao ahoana re !

Noho ny halehiben’ izany fanatitra izany, dia ampy ny fanatitra iray. Tsy misy tokony hampiana na dia misy azo atao fanampiny. Manan-kery ny fanatitra nataon’ i Jesosy, – mandraka androany. Fanatitra mahagaga tokoa !

Lehibe koa ny vokatry ny fanatitra, fa  » nahatanterahany izay olona hamasinina « .

Marina fa mbola eo ambanin’ ny asan’ ny fanamasinana isika, ka tsy maintsy havaozina sy hamasinina isan’ andro. Nefa noho ny herin’ ity fanatitra ity dia tanteraka mandrakizay aho, ka tsy misy tsiniko eo anatrehan’ Andriamanitra. Naterina noho ny fahotako rehetra izany fanatitra izany ka manarona ny tsi-fahombiazako maro tsy azo tononina. Natao ho ahy indrindra Izy io, ka manan-kery amin’ izao ankehitriny izao sady hanan-kery mandrakizay.

Isaorana anie ny Tompo noho izany fanatitra mahavonjy izany !

Laisser un commentaire