» Dia hoy Samoela tamin’ i Saoly : Na dia noheverinao ho kely aza ny tenanao, moa tsy tonga lohan’ ny firenena Israely va ? Ary Jehovah nanosotra anao ho mpanjakan’ Israely. Satria nandà ny tenin’ i Jehovah hianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa. «
» Na dia noheverinao ho kely aza ny tenanao, … Tamin’ ny alahelo no nitenenan’ Andriamanitra izany, satria tsy mihevitra ny tenany ho kely intsony i Saoly.
Tamin’ izy nahatsiaro ny nahakely azy, dia tena lehibe. Fa tamin’ izao niheverany ny tenany ho lehibe izao kosa, dia lavin’ Andriamanitra izy.
Sarotra indrindra ny mihe-tena ho kely sady haharitra amin’ ny izany. Olona manetry tena anefa no hany azon’ Andriamanitra ampiasaina ka dia tadiaviny fatratra. Indrisy, fa maro ny olona efa nampiasain’ Andriamanitra no nanjary nirehareha tamin’ izany, ka nanandra-tena, hany ka tsy mahasoa intsony.
Koa voatery hampanetry tena miverimberina ny mpanompony Andriamanitra hahavitan’ ireo tsara ny asany. Ny asa ataon’ ny manetry tena ihany manko no misy fitahiana sy fahasoavana.
Amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra dia izao ihany : izay kely no lehibe, ary ny mihevi-tena ho lehibe dia kely ka tsy mahasoa.