Hebreo 11: 13 sy 16

 » Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tety ambonin’ ny tany izy … fa amin’ izany ny tsara lavitra no iriny, dia any an-danitra « .

Mahagaga tokoa ny tantaran’ ireo olona feno finoana fahizay ireo. Tsy mba nahita ny fahatanterahan’ ny teny fikasana nampanantenain’ Andriamanitra azy izy, kanefa tsy kivy, na dia antitra nanakaiky ny fasana aza. Amin’ ny tànana feno fanantenana no napetraka teo ambonin’ ny maso be finoana no ahatazanany ny eny lavitra eny, dia ny any an-danitra, ka ravoravo izy. Nanaiky ho vahiny sy mpivahiny izy, fa ny any aloha – izay tsara lavitra noho ny tany nialany – no niriny sy nivantanany. Ary eo am-piheveran’ izany tanindrazany any an-danitra izany no nialany aina tamim-pahatokiana, na dia mbola tsy nahita azy araka izay tena izy aza izy. Natoky ny fiainana mandrakizay izy, sady natoky indrindra an’ Andriamanitra koa araka ilay teny hoe :  » fa izay nolazainy dia hainy hatao koa « . ( Rom. 4.21 )

Tsy haharitra amin’ ny finoana isika raha tsy manana ny hery avy amin’ ny fanantenana. Eo am-pitazanana ilay tanim-pahazavana be any an-danitra no hany hitomboan’ ny finoantsika sy hananantsika fahatokiana tanteraka an’ Andriamanitra.

Laisser un commentaire