» Izy no ananantsika fanavotana amin’ ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ ny fahasoavany, izay nataony ho antsika « .
Endrey izany fanavotana mahagaga izany, fa hoe : famelana ny fahadisoantsika. Fahasambaran’ ny lanitra amin’ izay nampijalian’ ny fahotany izany fanavotana izany. Voavela ny fahotako. Voaisotra ny heloko. Afaka mandrakizay aho noho ny herin’ ny asa fanavotana nataon’ i Jesosy.
Lehibe tsy takatry ny saina izany fanavotana sy famelana izany, fa voasoratra hoe : » araka ny haren’ ny fahasoavany « . Mbola tian’ i Paoly Apostoly hohamafisina indray ity, ka manampy teny izy hoe : » izay ataony be ho antsika « .
Hataoko ahoana no fisalasala raha be dia be tahaka izany ny fahasoavana ! Aoka izay ny alahelo sy ny fitarainana. » Ny sento ajanony ! » Vonona hamela ny fahadisoako araka ny haren’ ny fahasoavany Izy, koa ny hany hataoko dia ny hatoky izany ka hisaotra Azy be dia be.
» Ny ran’ i Jesosy no tena avotro, ka sambatra aho sy tretrika am-po « .
Maty nisolo ahy i Jesosy, ka ny rany no nahazoako ny haren’ ny fahasoavany. Vita ny fanavotana !
Isaorana mandrakizay Jesosy, Mpanavotra ahy !