Lioka 17:13

 » Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay. « 

Maro ireo hiram-piangonana izay hiraina mandritra ny fotoana sasany, nefa rehefa aoriana dia hadino, ka tsy hiraina intsony. Misy anefa andalan-kira anankiray izay tsy ho faty raha mbola velona ny fiangonan’ Andriamanitra, dia ity :  » Kyrie eleison « , izany hoe : Ry Tompo ô, mamindrà fo aminay ! « 

Izany fisentoana avy amin’ ny lalina mangataka famindram-po izany dia tsy miala amin’ ny kristiana marina na oviana na oviana. Izay manatona amim-pieritreretana tsara an’ Andriamanitra, dia tsy maintsy hanetry tena sy hiaiky ny fahotana hoe :  » Ry Tompo ô, efa nandika ny didinao aho tamin’ ny hevitra sy teny ary asa, koa dia mamindrà fo amiko ! « 

Vao mainka mafy sy mangirifiry izao fisentoana izao :  » Mbola ao am-poko ny ratsy koa mamindrà fo amiko mpanota !  » Tena mila famindram-po mandrakariva na aiza na aiza ny kristiana, ka ny vavaka izay mahafaoka ny vavaka rehetra, dia ity ihany :  » Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo amiko ! « .

 » Ary isaorana anie Andriamanitra fa misy dia misy tokoa anie ny famindram-po ! Efa tahaka ny hahavon’ ny lanitra ambonin’ ny tany no haben’ ny famindram-pony amin’ izay matahotra Azy « . (Salamo 103.17 )

 » Fa ny famindram-pon’ i Jehovah dia hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay « . ( Salamo 103. 17 )

Laisser un commentaire