» Toa iray dia monja no anelanelako sy ny fahafatesana. «
» Dia iray monja « . Tsy mba miraika loatra momba ny dia tsirairay ataontsika isika, fa manao dia maro tsy misy antony aza isan’ andro. Toa tsy mampaninona antsika izany na mampieritreritra antsika.
Kanefa hevero ange : » dia iray monja » no anelanelako sy ilay zavatra mahatsiravina tsy mbola notadiavina atao hoe fahafatesana. Zavatra tena farany amin’ ity fiainana ity izay sady varavarana voalohany hidirako amin’ ny fiainana vaovao any an-koatra. » Dia iray monja » , dia mety ho tonga izany.
Mampieritreritra indrindra izao fiainantsika aty an-tany izao. Koa tsy tokony hatao zavatra maivana, na handroso an-dàlana raha tsy voavela aloha ny helotsika.
» Izaho tsy mba mahalala izay hiainako aty anio angaha dia hiala ka hodi-mandry ho ary « . ( Fih. 331 )
Satria » dia iray monja no anelanelako sy ny fahafatesana, dia tsy maintsy hitandremako ny tsy mba hisian’ ny » dia iray « , anelanelako sy Jesosy. Tsy maintsy hiaina eo Akaikiny sy eo Aminy aho ka hiala amin’ ny zavatra rehetra hampisaraka ahy Aminy.
Hataoko ho adidy masina ny hahatsiaro isan-andro ny fianana mandrakizay any an-koatra sady tsy havelako hanitsaka tany tsy hifandray amin’ ny lanitra ny tongotro, fandrao ho tonga ny fotoana ka ho diso an’ ilay tany vaovao aho. Fa am-pifaliana no tiako hanaovana ilay diako farany.
Tanteraho amiko izany, ry Tompo ô, -anio – sy amin’ ny androko rehetra.